(tohiny) Avy be hono ny orana indray andro !
Rédigé le Lun 17 Nov, 2008 13:06:47 
Eo ary ilay miala amin’ny Vato be an ! »
Nitsiky i Liana, sady niteny hoe :
- ‘Za tsy maintsy miala eto.
Nanao pozin’olona miantso an-taribihy ilay olona, nanetsiketsika ny tanany teo amin'ny sofiny.
« Avy dia mba omeo lalàna ary ilay olona miala ô ! Maimaika isika, maimaika isika ! … Ela be ry Neny a, Neny ve tsy hiala é ?»
- 032 04 162 67. Hoy i Liana, sady nitsangana namonjy varavarana.
« ‘Za koa ve mahazo miantso an’i Nenikely ? » hoy ilay receveur.
Nidina i Liana sady nihome no nangarika.
« Lasa isika é ! ». Lasa ny taxi-be.
…
Nandeha tao an-dakozia i Liana raha vao tonga tao an-trano.
- Inona ny laoka ? Inona ny laoka ? Hoy i Liana tamin’i Mamany.
- Ooooo ! Fa angaha tsy mba nitondra elo ry tony é ! Hoy ny mamany no sady nangarongarona lasopy sinoa teo ambony fatana.
- Ary iza izany mijery télé mafy be izany ?
- I Riana sy Luc ! Efa niaraka avy any izy roa lahy no itako.
Napetrany indray ny sotro saika hanandramany lasopy. Lasa izy nandeha nivoaka ny lakozia, ary nandalo teo amin’ny tranom-bahiny. Nandalo dia nandalo tokoa. Tsy nasiany fijerena na ny kely aza ilay vahiny. I Luc saika hitsangana, nipetraka indray.
Nidian’i Liana ny varavaran’ny hefitra. Nanala ny lobaka sy ny jipony, ary ny atin’ankanjony izy, ary nisintona lambahoany isikinany. Nendahiny ny famataran’ora teny amin’ny tanany, navoakany ny telefonina tao amposiny. Notsoahany ny puce-ny. Nalefany ny brushing ary dia samy namaininy daholo na ny volony,na ny telefoniny, na ny famataran’ora, na ny puce-ny.
…
- Liana a ! Hoy ny mamany.
- Ahoana tompoko !
- Andeha hanati-bary ho an’i Dada izahay sy i Riana, fa avy dia mba ataovy ny « couvert » dia mba tonga dia mihinana isika rehefa tonga izahay. Hoy ny Maman’i Liana nitabataba.
- Iôoooo !
Nanao ny « couvert » i Liana.
- Ampiako ve indry ? Hoy i Luc sady niahotra.
- Tsy ilaina !
Mbola nisisika ihany i Luc, sady nandamina sotro sy bol.
- Bon, izao no teneniko an’i Luc a ! Tahin’izay mitahy ianao, aza ampiana ny probilemako, efa betsaka be. Sao dia manantena ny hijanona fa matory ery amin’ny tapis miaraka amin’ny mimi.
- Aoka moa lesy a, tsy anao tsony oa ‘za. Diso oa ‘za.
Manohy ny ataony ihany i Liana. I Luc kosa mitsangana eo akaikin’ny latabatra, sadaikatra, hanampy sa tsy hanampy, nandinika an’ity olo-tiany sisa no azony natao. Lasa i Liana namonjy ny hefitranony, nandefa ny brushing, ary nanala ny rano tavela tamin’ny telefoniny. Niditra i Luc, nikitika ny volon’i Liana. Nikisaka i Liana. Nanantona ihany i Luc. Nesoriny ary novonoiny ny brushing teny amin’ny tanan’i Liana. I Liana nidiridiry. Nalatsan’i Luc tamin’ny tany ny lambahoany nosikinan’i Liana.
Nojereny tsara ny tanan’i Luc andeha moramora ho eo amin’ny hatony. Nahazo fanantenana kosa ary i Luc, satria tsy nesorin’i Liana ny tanany, ka nanantona hanoroka.
Nihemotra i Liana, nihondrika naka ny lambahoaniny, ary lasa nivoaka ny hefitranony. Nanaraka avy ao ariana i Luc.
![]()
- Liana ! Eo moa e ! Ianao oa no tiako !
Nametaka ny lambahoany i Liana ary nanokatra ny varavarambe.
- S’il te plaît ... aza asarotina be ! Hoy i Liana sady nanondro an'i Luc ny fivoahana.
Nijanona teo akaikin’ny varavarana i Luc, nijery an’i Liana, nalahelo, nanenina :
- Dia ... hisaraka izany isika ?
...
- Angaha moa isika mbola miaraka ?
Angano angano, arira arira, ny tantara dia mbola hitohy.
aiza amizay le hoe kel bus e?
